🔥🔥🔥Olona Enina, ny iray tetsy Ampasika, ny telo tetsy Ambolokandrina… ary ny roa kosa tetsy Ankerana, no saron’ny fokonolona ny faran’ny herinandro teo. Ny teo Ampasika dia tratra nanendaka sy nanindrona antsy ramatoa iray. Efa any amponja amin’izao fotoana izao. Ny telo tetsy Ambolokandrina dia nangalatra kisoa amam-borona ary efa mpanao hala-botry. Ny roa hafa kosa, izay tetsy Ankerana, dia tratra nangalatra vatoaratry ny andrin-jiron’ny Jirama.
🔺🔺Ankoatra izany dia Efatra ambiny folo hafa indray no tra-tehaky ny polisim-pirenena. Dimy lahy tetsy Ambohimanarina ka ny efatra mpanendaka ary ny iray kosa mpamaky trano sy mpanao halabotry no sady mpamerin-keloka. Ny valo hafa indray dia tsy inona fa mpanendaka tantsaha handeha hivarotra vao maraina eny amin’iny faritr’i 67ha iny. Antsy lavalela sy barre mine no fitaovana entin’izy ireto amin’izany. Ary farany dia olona iray, mpangarom-paosy no saron’ny polisy nanao fanamiana sivily tetsy Analakely.
✅Nitotaly roapolo izany ireo olon-dratsy noraisim-potsiny tamin’iny faran’ny herinandro iny.
Araho tsy tapaka ny vaovaon’i Madagasikara eto amin’ny https://actu.orange.mg/cepeches/
See More